Entrée | 1 Mba zovy kosa ho' aho? |
Mots élémentaires | 2 mba, 3 zovy, 4 kosa, 5 aho |
Partie du discours | 6 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 7 Littérature: poèmes |
Auteur |
8 Rajemisa-Raolison Régis |
Texte complet |
9 Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-pahoriana 10 An-tanintsika eto natao toa hijaliana? 11 Ny eo tsy mbola lasa, ny sisa tamy ihany; 12 Indraika no mitsiky, impolo mitomany! 13 Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsorisory 14 An-tanintsika eto ka lavo loha matory? 15 Ny eo tsy mbola lasa, ny hafa tonga kosa, 16 Ka sorisory lava no zary miavosa! 17 Mba zovy kosa, ho' aho, no afaka ahiahy 18 Ka miramiran-dava milamina fanahy? 19 Ny omaly mampisento, ny ampitso mampiteby, 20 Ka hany sisa hery miseho somebiseby! 21 Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsentosento 22 Rah' mbola ka mandia 'ty fiainantsika eto? 23 Ny sasany tomany tsy raikitra fikasa, 24 Ny hafa mitoreo manembona ny lasa! 25 Rah' zany re no izy, angamba kosa lahy 26 Tsy eto an-tany eto no misy fifaliana, 27 Fa any an-koatra any, ka any ny Fanahy 28 No hangina samy irery tsy misy mpampangina! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |